MIANDRANDRA TENA FAHAFAHANA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIANDRANDRA TENA FAHAFAHANA

Miandrandra tena fahafahana
i Gasikara tanindrazan-tsika,
manantena tolom-panafahana
fa manjary mangatsiaka
ny ady izay efa nisy
kanefa lahy indrisy!

fa voageja tsy hiteny
sy tapenam-bava ombieny
ny malagasy te hitroatra,
mangina ny vahoaka e,
tsy sahy mijoro intsony
fa voatefa hatrany am-pony
ny hoe tany mahantra,
eny...lavitr'Andriamanitra?

Miandrandra tena fahafahana
i Gasikara tanindrazanao,
tena mila fivavahana
fa mahatofoka sy lao
ny zavatra miseho,
indro Gasikara mitoreo e,

O ry vahoaka malagasy!
zovy no tsy hisy vavam-basy?
raha maneho ny fitakiana,
fa ranomasom-pahoriana
no setrin'izany rehetra izany,
miparitadritaka amin'ny tany
ny fatin'ireo mpitolona
vono moka ny olona e,

Koa meteza ry vahoaka
tsy atahotra basy mipoaka!

fa miandrandra tena fahafahana
i Gasikara tanindrazan-tsika,
manantena tolom-panafahana
fa manjary mangatsiaka
ny ady izay efa nisy,
kanefa lahy indrisy!

~~~~~} JODA RAZAKASOA (14 may 2017) 21:43
--------
Rohy:
961 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102