MILALAO VOVOKA IRERY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MILALAO VOVOKA IRERY

Milalao vovoka irery...
ery am-body tamboho ilay sakaizanao,
mahatsiaro tena very
hono izato izy,sady marary ao am-pony ao,

fa lozanao nandao
ry ilay kintana namiratra nanazava ny tontolony,
izao tontolo izao?
fampaherezana no hany sisa mba atolony,

feno embona sy tsiahy,
ny takelaka an-diary izay sinorany mazàna,
eny,voaratra ny fanahy
ka reny ny sento izay mangotraka tsy tàna,

ataony an-tsaina foana
ny andro maro niarahanareo teny rehetra teny,
fa tontolony misaona!
no indro ankehitriny mangina tsy miteny,

he! milalao vovoka irery...
ery am-body tamboho ilay sakaizanao,
fa mahatsiaro ireny
ireny taona maro niarahana nilalao,

JODA RAZAKASOA
2017
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana - Fitiavana
961 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139