MPITONDRA ADALADALA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy malagasy intsony no tompo-tanindrazana,
Tsy malagasy intsony no tompo'ity firenena,
Tsy ny malagasy intsony no manaja fomban-drazana,
Tsy ny malagasy intsony no manam-pahendrena,
Izany no atao hoe fahaleovan-tena?

Mpitondra rain'ny hataka,tsy mitsinjo ny vahoaka!
Kalaky no mirefotra raha mikomikomy,
Na iza ianao mitolona?basy no mipoaka,
Basy hatrany hatrany,basy mampahory!
Ireo tia ny tanindrazany!

Mahaleo tena hono isika fa mangataka an'ivelany!
Mihitsy aza,malaza maneran'izao tontolo izao,
Fa izany Gasikara izany manana ny elany!
firenena tia mangataka,firenena tsisy atao,
indrisy mantsy ry fireneko!

fa ny mpitondra mihitsy no mpitondra adaladala,
mpitondra minia tsy te hahaleo tena akory,
na zovy ianao mitia?na zovy ianao mankahala?
dia izay mpitondra hatrizay,dia efa samy nampahory,
asa dia nahoana e???

~JODA RAZAKASOA~22 jona 2017
--------
Rohy:
1042 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119