NAHOANA!? (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA???

Nahoana no misy ankaso sahy misopatra?
ity vatako marefo mora tomany,
ka mamela tako-pery mitarika holatra
sy mampitaraina ny any anatiko any,

nahoana? nahoana no misy kintana
minia mangarika ny fiainako ety,
sa ve ny tenako no ratsy vintana?
ka tsy mendrika izay ilom-pitia,

nahoana? nahoana no misy masoandro
minia manadino ny habako maloka,
ny zavon'ny taraina hatramin'ny atoandro e
tsy nety nisinda fa mitoetra ho aloka,

nahoana? nahoana no misy sakaiza
masahy manadino amin'ny andro maha ory,
sa ve ny tenako no ratsy taiza?
ka tsy mendrika izay hitserana akory,

nahoana? nahoana hoy ny foko mangina,
ny foko mangina velon-talaho...
nahoana ianao ry fahoriana a?
no sakaizako isan'andro lava izao,

nahoana?

diam-penin'i JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1038 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157