TOMANY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOMANY

Ry rivotra miritsoka mianan-drefana any,
aza atao mahataitra ny foko ny fandalovanao,
fa ao anatiny ao mikoriana ny tomany,
nohon'ny sangisangin'izao tontolo izao,

Ry alina mangina manova ny fisainana,
ny omaly efa vita,aza avela ho tadidiko!
fa rehefa ny amiko no tojo fanaintainana
dia indro mandatsa ireo zava-nofinidiko,

ory ho'aho ny foko,ory tena ory!
fa feno fahatsiarovana ny lasana fahiny,
ny tsiaro...tsy mbola rendriky ny tory
ka...madiva mitsisy izao ankehitriny,

ry rivotra miritsoka mianan-drefana any,
tiako sy sitrako raha toa ianao mangina,
fa homamiadana mikiky ny tomany
rehefa injay ka...sendra fahoriana,


JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
1168 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102