…….. (Kabary) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
…….. (Kabary)
Tompokolahy sy tompokovavy!
Indreto arahaba feno ny sitraka,
feno firariana mba tsy hisy hanavy,
mety havesatra ihany na dia tena fisaka.

Indreto fisaorana arahana haja,
ombà-piadanana eh! Sy vady sahaza,
ombao hafaliana, fitsikitsikiana,
mba hanamafy, ny firaisankina.

Ny tsiny alao, fa vesatra loatra!
Ny fondro hitsaho, fa tody nitroatra!
Aleo tsy zogain’izay manan’aina,
fa vesatra loatra, mety hitondra taraina.

Ny fady no hatsipy, ho fangatahan-dalana,
hiteny hanoloan’ireto vahiny,
sao mantsy ny teny, no mety hamalana,
ka mety handrava, ny vita fahiny.

Ny satroka alàna, mba ho voninahitra,
enti-manafy, ny zokin’ny aina.
Ny maso atopy, satria tena raitra,
izato fihaonana hatramin’ny maraina.

Tompokolahy, hangina aho tsy hiteny,
raha toa mbola misy vahiny taraiky.
Tsy maintsy iandrasako, ny fiavian’ireny,
raha toa isika rehetra ka samy manaiky,
fa izay mahandry no mahari-tsoa,
mahazo ‘lay tena safidin’ny fo.
Koa veloma jiaby, ianareo manoloana,
mampamangy ihany, fa mbola hihaona.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
917 1
Mpakafy: mpisotrtoaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022