NY EPISTILIN-DREO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY EPISTILIN-DREO…
Niova vony tokoa kia ny andro,
fa lasan’ny rivo-pivoharana,
ny penintsika fahiny.
Ny ravin-taratasy tahiry
izao, nanjavona tsy hita popoka,
nosoloin-java-baovao.
Finday no ‘njay naka toerana,
ka nifintina ny hafa-niampita,
tsy hilàna paositra intsony.

Ny hafatra mila ho isan’andro,
tonga misesy hitandahatra,
mamabo ny fon’ny tiany.
Na fitiavana vao nitsiry
aza, maika ery koa hivoaka,
toy ny efa zava-panao,
‘lay tsy mila ny misahirana,
hoe litera telo dia vita,
potipotika ny atin’ny fony.

Aiza malala ‘lay hoe: “Amam-bolana na hoe aman-taona,
vao misy valin’ny hafatra,
sy ‘reo teny nifanaovantsika?”
Fa aingana ny ankehitriny, tsy ora iray dia handeha hihaona,
mihaingo mba ho mety fatratra,
toa maika ny hifankahita.

Aiza ka an’hafa-miafina dia afa-mifandefa sary,
miboridana tsy misy hafenina,
porofom-pitia hono izany.
Rehefa misaraka, dia indro mandreto marary,
kaikikaikerin’ny nenina,
hoe: “Tahak’izay ihany!”

Ny epistilin-dreo efa niova, fitara-milina ny taratasiny,
bokotra no tsindritsindrina,
dia tonga ny hafa-miampita.
Segaondra, minitra ny valiny, tsy misy tsipelina arahina,
fa rehefa hainao ny ambara,
dia tody ny tanjon-katsahana.
Ny sora-tsy hay vakiana, tsy hatahorana intsony amin’izao,
fa mitovy ny fomba fanoratra,
Ka aiza amin’ireny ny antsika?

Izay ve sisa no lova, hanasandratana ny hasiny,
hanjakan’ny faniriana
hitovizana amin’ny an’ny ampita?
Aiza ny anatra azo, na lesona azo tsoahina,
hanovana mba hotsaratsara,
ny fiainana ‘ty rivo-pivoharana?
Ny fahiny malala, hampitahao amin’ny epistilin-dreo amin’izao,
fa asa ianao ‘zay hangoraka,
hoe: “Ny fivoarana no nanimba antsika”.
RRAG
14 Jona 2024
--------
Rohy:
125 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4866