04 NÔVAMBRA 1994 (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
04 NÔVAMBRA 1994
Raha azoko natao, ny nanakana ‘ty andro!
Raha azoko natao, ny nampitony ity masoandro!
Tsy mba niandrasako akory, fito ambin’ny folo taona lasa,
fa avy dia novonoiko, nodoroako ho tsara fafa,
‘lay andro niononako, namoizako anao!

Raha azoko natao, ny nanery an’Andriamanitra!
Na koa, azoko natao, ny nitrerona ny lanitra,
mba hamerenany anao, dia avy dia nataoko!

Mavesatra amin’ny foko, marary ‘mbamin’ny saiko,
saingy tsy ho vitako, ary toa tsy ho haiko,
ny mamerina anao, ry zandrin’ity aiko!

Raha azoko natao, ny nanafoana ilay fotoana.
Fotoana mafy indrindra, foiny ianao lasa!
Angamba, efa vita vina, sy efa vita kasa,
mba ahafahantsika, ahafahantsika mihaona!

Ry fasana jereo, ‘ty ràtram-po tavelan’
ny adin-tsainy maro, miampy fahalemena,
noho ny nahalasany, nahalasan’i Antsakely!
Nefa modianao, modianao tsy mijery!
Modianao tsy mihaino, ny fitalahon’ny fo.
Miangavy mafy anao, miangavy an-tanan-droa!
Ny hamerenanao, hamerananao indray,
hitombina eto anoloana, ‘lay Antsakelinay.
RRAG
04 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
294 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169