1947… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1947…
Ilay alahady alina, feno rà nandriaka,
fanavotam-pirenena, zary ady nangatsiaka,
namoizan’olomanga, olomangam-pirenena,
nandrotehana saranga, nangalarana ny harena.

Iny alina iny, no nanokatra ny fery!
Iny alina iny, no zary alin-tsianjery,
mitoetra am-pon’ny gasy, eny hatramin’izao.
Tsy voaraki-taratasy, fa lainga foana no henonao!

Tsy “V.V.S”, tsy “MDRM”, na koa “Menalamba”,
no nanafaka ny tany, teo an-jogan’ny vahiny.
Fa ‘reo gasy sesehena, izay nilatsa-drà,
izay hadino, tsy tadidy ankehitriny.

Iny taona maizina, tsy nahitàna izay mangirana,
todin’ny famaizana, sa tsinin’ny sahirana?
Fa diso mafy loatra, ny fidodododony,
ka nivantana avy hatrany, ny hamafin’ny fidobony.

Iny taona iny, ilay taonam-pahanginana,
zary niosin-drà, zary taona nanahirana.
Namatotra ny ain’ireo mahery fo,
ny ankamaroan’ireo, toa maty avokoa.

Ka sarotra ny hamono, an-tsaina iny taona,
Fito amby efapolo sy sivinjato sy arivo, ilay taona nampisaona.
Ny firenena Malagasy, hahatsiaro ny mpitolony,
efa ho aman’hetsiny, fa tsy ho ampahafolony.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
365 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1047