“1e PAGE”…. (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“1e PAGE”….
Sorito eo anoloan’ny fiandohan’ny nofy,
ny anarako ry tiana!
Dia ho hitanao, ny foko te hitosy,
anaty faniriana.

‘Zay miezaka mangina, mibanjina anao,
mijery olon-tiana, ka hanofinofy anao.

Sorito am-piandohan’ny ali-nofinao,
ny endriko mitsiky!
Dia ho voaloham-pejy, ilavitra fandao,
‘lay tena hakanton-tsiky!

‘Zay miezaka mampita, fitiavana amin’ny nofy,
mba tsy hanapitrisa, ny fo ‘zay te hitosy.
RRAG
30 Jona 2004
--------
Rohy:
277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02