29 JOLAY 1992… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
29 JOLAY 1992…
Manembona mafy ny lasa fahiny,
ny foko ‘zay resin’ny fahakiviana!
Nahoana loatra ny tody sy tsiny,
nandrava ny nofy sy ny faniriana?

Andro tsy maty am-po mahatsiaro,
ny fahasivy amby roapolon’ny volan-jolay!
Taona tadidy tsy lefin’ny maro,
roa amby sivifolo sy sivinjato sy arivo, izy izay!

Nandray fahasoavana ny iray trano,
fa vita batemy ianao ry Antsa!
Ny faniriana dia ny ho halaviran’angano,
saingy ny antsika moa dia, vitan’ny kasa!

Tsy afa-manohitra amin’ny tendrin-dahatra,
sy ny fetran’ny vintana eto an-tany!
Tsy afa-misafidy izay ahafaha-mitsahatra,
ka hoe hanery, izay voasoritry ny hoavy!

Fa dia ny mifaly na koa mitomany,
no hany azo atao sy iainana eto!
Arahabaina ry Antsa! ‘Zany zandriko izany,
tonga fety anio, fa aza misento!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
264 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198