3K… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
3K…
Diso nohararaotina, ny fahatsoram-poko,
noheverina ho halemena, izaho ‘lay nitoloko,
nilefitra fa tia, tsy nahafoy anao,
lazaina havendranako, izaho ‘lay nitalaho!

Dia narabiana teny, ny saiko tsy nitroatra,
impiry moa ianao, no mba nahay nisaotra,
ny foko mba nanolotra, teny mamy ho anao?
Toa hosanatriaviko, ho toy ny nofy izao.

Kaokaombra aho ekeko, bado sy nabadoana,
vendran-tsy misaina, ka mendrika holotoina,
tsy mendrika hotiavina, fa sisasisam-biby,
tsy anjaran’ny fonao ka, farany safidy…

Saingy ataoko ahoana, ny hanakana fitia?
Ataoko ahoana koa, no tsy mba hankafỳ?
‘Ty endrikao sariaka, mizara hazavana,
izato tsikinao, minday ny hafanana!

Karaoty koa tsy ahoako, raha toa hiantsoanao ahy,
fa amiko ianao dia, silaka fanahy,
tiako na tsy tia, na mody tsy mitia,
toa nofinofy ihany ilay hoe, isika tafara-dia.

Mbola tsy mampaninona, raha toa aho ka korizety,
saingy ny tolotra ao am-poko dia, ataoko metimety,
hihazonako anao, ‘lay tiako ho ahy irery,
malala! Ny anaranao dia, zary efa toa tsianjery.
RRAG
19 Septambra 2018
--------
Rohy:
578 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203