66 TAONA IZAY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiaro ny faha 66 taonan’ny fitsingerenam-pahatsiarovana ny 29 Martsa 1947 – 29 Martsa 2013

66 TAONA IZAY…
Tifi-danitry ny tafondro, tora-defon’ny Gasy,
haitraitran’ny vazaha, no nahamaro olo-maty.
Fisamboram-behivavy, famonoana ny bitika.
Raha ny ady no hitohy, dia hampalahelo ny madinika!

Feom-basy tsy ankijanona, hikahika mankarenina,
zera-baomba amin’ny alina, eny hatrany Vavatenina.
May daholo ny aty ala, hamandrihana mpitolona,
nolaniany ny bala, handripahana ny olona!

Ranomasom-behivavy, fokofokon-jazakely,
‘njay re! Manarona ny alina, sy ny tanàna manontolo.
Asa anefa, raha mba nisy nahare ireny,
ny feom-basy mantsy, naharakotra tontolo.

Antso vonjy, holan-jaza, trano may,
fanerena vehivavy, fanerena azy hiray.
Tsy namelàna azy higika, no nanampenam-bava azy.
Tsy namelàna azy hibitaka, no namatorana azy tady!

Ny tao Beparasy, ny tany Beforona, ny teny Andasibe.
Re fa maro olona, tsy kely tsy lehibe,
nanao sorona ny ainy, ho an’ny fanafahana.
Saingy maro koa ny lavo, tsy tonga hatsasa-dalana!

Fa ringan’ny balan’ny tsy mataho-tody, vazaha tsy manam-po,
ripaky ny tafondro, tsy voatohitr’odin’ireo mahery fo.
Ny mpitolon’i Moramanga moa nasesiny, tanaty ireo “Wagon”,
naripany daholo, irony olomanga, tsy nisy “Sommation”!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
297 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225