AATO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AATO…
Moa ry foko tia, azoko angatahina
anao fotoana fohy, ny tsy hitepoinao?
Na azoko anatahana, azoko silahina,
ny fari-pitiavana, misy eo aminao?

Aato ora vitsy, segaondra maromaro,
fa reraky ny jaly, ny atiko rehetra!
Leo ola-mifamaho, mifangaroharo,
mikiky ny herin-tsaiko, an’ora tsisy fetra!

Aato vetivety, tsy hitia sy tsy hotiavina
na koa ho hankahalaina, fa tsy miray jery!
Aato tsy hahatsapa, kaikim-pitia nolavina,
izay toa tsy sedraintsika, f’izaho samirery!

Moa ry foko adala, azoko terena,
hiato tsy hitepo, ny fitiavanao?
Na koa mba azoko, tinefena sy hofefena,
tsy hahalala akory, izao sy izao?
RRAG
30 Jolay 2021
--------
Rohy:
322 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213