ABA! BABA! DADA! PAPA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ABA! BABA! DADA! PAPA!
Samy anarany iaby!
Fa ny toetra no mamaritra,
raha mendrika ianao!

'Lay tsy mitsaha-miady,
mamelona finaritra,
ny ankohonanao!

Ilay tsy handry andro,
alina tsy feran'ny asa famelomana!
No taratra masoandro,
fanilon'ny an-tokonana!

Iza no iantsoako anao,
ry 'lay mpamelona mpiaro?
Fa amiko tokoa, izao rehetra izao,
dia fiainana mandalo!

Nefa tsy kivy ianao
mampitoetra izany!
Alina mangina ianao
vao mifoko... mitomany!
Tsy ho re 'ty anakao!
Satria tsy tia talaho!

Mikiry mafy ianao
hahatafita anay...
Manao izao sy izao
ianaranay!
Hanatraran-tanjona,
toa ianao no, lehiben'ireo anjely mpiambina!

Arahabaina re fa tonga fety anio!
Ny soa natolotrao havatsa ao an-doha!
Teny an'anatranatra, irin-tsy ho tadio,
fa ho ainga tosi-piainana miraikitra ao am-po!
Aba! Baba! Dada! Papa! Ianao 'lay Ray tsy roa!
RRAG
20 Jona 2021
(Avaradoha, Antananarivo tamin'ny 07 ora sy 15 minitra maraina)
--------
Rohy:
349 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201