You are here: home > Vetso

ABOIBOIHO… - RRAG

Azo vakiana?

ABOIBOIHO…
‘Lay mbola tsy nivoaka,
sy ‘reo tsy tafaloaka!
Ilay mbola tao anaty,
sady tsy nety ho faty!
Aboiboiho aloha,
fa mankarary fo!

Irony tsy tambo isaina,
nondesin’ny taraina!
Iretsy alahelo,
minia mihelohelo!
Aboiboiho raha mety,
fa sao indray hampihetry!

Aboiboiho daholo,
ny ràtra manontolo!
Aleo hivoaka jiaby,
ireo mety hitondra ady!
Ka hinoana fa hampitony,
handevon-donilony!
RRAG
01 Nôvambra 2001

Hametraka hevitra

Midira aloha