ADALA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADALA…
Asa!
Asa aho,
raha heverinao adala,
tsy ampiampy saina kely.
Kanefa!
Kanefa ry malala,
raha tsisy anao aho,
dia very!

Asa!
Asa aho,
raha heverinao adala,
tsy mandinidini-tena.
Nefa!
Nefa ry malala,
ianao ny ahy,
no fandresena!

Asa ihany koa!
Raha misy sahy mitsara,
ny heloky ny foko tia.
Fa ny an’ny fo!
Ny soritry ny tantara,
dia niantefa tamindrỳ.
RRAG
Alakamisy 26 Septambra 2013
--------
Rohy:
292 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205