AINA... (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotro ho an'ireo Rasazy rehetra mifofotra mamelona aina sy mizara fifaliana ho an'ireo Reny sy Ray! Arahabaina manokana amin'ilay andro iraisam-pirenena e! Dia mahavita soa hatrany! Ny Tompo no hitahy sy hamaly fitia anareo! Atolotro manokana ho an'i Feno Malala sy i Solo Neliah Rabeariniony

AINA...
Singa miavaka tsy hay hotefena,
mitsimoka mora mitambatra ho nofo.
Anjaram-piainana tsy hay hofefena,
ilay tanjon-kinendry rehefa nilofo!

Misia hoy ny teny, izatsy zaroa,
dia nisy tokoa, hatramin'ny nofy.
Dia teny no ary, ireo vina taloha,
hanampy ny hafa, ka hizara rotsy.

To ny kinasa, ny hamelona aina!
K'indrao Mpampivelona no zary fiantsoana!
Tara-masoandro, fanilo maraina,
ianao 'lay fitaovan-tomefy finoana!

Rasazy mpizaran'ny tsikin'ny fiainana!
Miombon'alahelo amin'irony tra-boina!
Hafa fijery sy fomba fisainana!
Toa aminy avy 'ty fahafenoina!

Sinaingy tsy lafatra, fa manan-kilema!
Kanefa tsy sakana, hanome fifaliana!
Aina mamelona aina nomena,
mieza-mizara iry fitsikiana!

Nomen'Andriamanitra ny fara,
no rarian-kifafy am-bavan'ireny!
Ny asan-dRasazy, ataony tsara,
k'izay mivoaka ao, rarian-ko Reny!
RRAG
06 Mey 2021
--------
Lien:
278 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226