AINGAM-PAHATSIAROVANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Embona sendra lasa raha niverina nitopy maso ireo tahirin-tsary navelan’ireo dia maromaro niarahako tamin’ny vady malalako! Tolotra fitia ho azy manokana ity…

AINGAM-PAHATSIAROVANA…
Embom-pahatsiarovana ny lasa nitamberina…
Avy eny Andohalo, ka hatreny anaty Rova!
Ilay vako-pahatsiarovana ny fanjakan’i Merina,
no nisy sahy nandroba…!

Tsiaro niampita fa saingy hoe tsy tody,
‘lay siokasioka an’antson’ny sahan’ny Tsimbazaza.
Irony voromanga mikalo fa hoe hody,
no tahirin-tsiahin’ny ‘lay andro fahazaza…

Tetsy Analakely nisy nofinofy, tiana ho tanteraka,
dia lasalasa vina, drafitra sy paika, tsaratsara petraka!
Nitampify teny ny tsiaron-drotsirotsy, nanafosafo antsika.
Ho tsiron’ny fitiavana, hanafoana ity hatsiaka!

Teny Antsimalahy kay! Nisy tsiky, nifanankalozana,
dia nametra-dia maro ho ivom-pahatsiarovana.
Eny no mitoetra irony tafatafa sy irony bitsibitsika.
Vao ‘njay mahatsiaro ireny dia toa mangoritsoka.

Moa Andasibe koa ka manana tantara,
izay ivom-pahatsiarovana ny finamanantsika.
Tao no nahitàna ny soa sy ny tsara,
fe ankehitriny iarahana mahita.

Mialoham-pamaranana e! Handeha ho Antsirinala,
‘lay nisy akany izay, fonenanao akia malala a!
Eny no mitopy ‘ty maso rehefa hody,
Moramanga izao no kendrena mba ho tody!

Faranako eto Anjiro ny diantsika anio,
fa mbola ao ny betsaka!
Ny irina aloha dia ho lavitra tadio,
ka tsy hivalaketraka!
RRAG
05 Martsa 2020
--------
Rohy:
393 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0173