AINGAN’NY FO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AINGAN’NY FO…
Misy antso ilavitra renao manakaiky,
misafon’ny sofina nefa toa tsy hita.
Antsom-pitia maneho fo taraiky,
mamaritra ainga sy vetso miampita.

Tia tena tia ka mba manantena,
valim-pitia mihiba ireo tambiny.
Ny handrava ny sedra no hoe fandresena,
ka hahamaitso tsy hampihintsana ny raviny.

Aingan’ny fo tsapa fa tsy re,
hika miantoraka ho an’irony manina.
Misy sentosento mba tsapanao ve?
Indray mitete kanefa mahafanina!

Mitamberimberina eny ny lasa tsy voafafa,
miendrika aingam-po tiana hampitaina.
Saingy mbola teny ny ferin’ny lasa,
ilay nipinetraka ho aingan’ny taraina.
RRAG
21 Jona 2019
--------
Rohy:
366 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167