AIZA IREO KARENJY? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Karenjy, mampatsiaro ny fahiny ilay fiara mitondra ny famantarana hoe « Zebu » na « omby » hoy ny Malagasy. Isan’ireny ny afovoan-tany ny taona 1985 hatramin’ny 1993 nandritra ny fitondrana sôsialista. Rabearivelo Andriamalagasy, « Ingénieur polytechnicien » no namorona izany. Isan’ireo olona akaiky sy tsy nivadika tamin’ny Amiraly tamin’izany ka nahazo tohana manokana avy amin’ny fitondrana. Ny taona 1993, niova ny fitondrana, ary nanakaton-trano ny orinasa hatramin’ny taona 2009, izay nahatongavan’ny tetik’asa« Initiative du Relais » vondron’orinasa, izay notarihan’ny hetsi-piraisankina « Emmaüs » (Mpivarotra « friperie ») namoha azy tamin’ny torimasony indray.

AIZA IREO KARENJY?
RABEARIVELO, levona tsy hita, ny karenjinao,
toa lefin’ny taona, sy ny fitiavam-bao.
RABEARIVELO Andriamalagasy,
very tanteraka, ny naha-malagasy,
ka izao nanjakan’ity fandrosoana, nentim-bahiny!
Ka nanadinoana, ny antsika fahiny.

Aiza? Aiza hoy aho, ireo karenjy,
vitan’ny tanana, sy herim-pon’ny Gasy?
Nahoana nazeran’ny laha-boatendry,
niara-nilevona, tamin’i Andriamalagasy?

Ilay hany fiara, tsy hita holovaina,
toa nofy sisa, ny an’ny maraina!
Fa ilay karenjy, nanjavona tsy hita,
dia natakalo, ny avy any ampita.

Aiza? Aiza hoy aho, ireo fiara,
tena Malagasy, tsy vitsy mpahalala?
Ilay karenjy, vita tamin’ny hazo,
raha felana ve, tsy ho efa nalazo?
Sa efa maina, ka tsisy antenaina,
ka ny ranomaso no hampitonian-tsaina?

RABEARIVELO Andriamalagasy,
toa tsy tsaroana, ny anaranao!
Nefa ianao, ‘lay hany Malagasy,
nametraka tanjona sy fijery vaovao!

Ka diso ve aho, raha hamerimberina,
hitanisan’ny vita, nalevon’ny nenina,
nalevon’ny lasa, sy ny fandrosoana.
Ankehitriny toa latsa, ilay hakamoana,
ka dia nanariana, ‘lay tokam-pananana,
izay hany tokana, mba teny an-tanana!
RRAG
Aprily 2012
--------
Rohy:
265 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214