AIZA 'LAY TSIKY? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIZA 'LAY TSIKY?
Aiza 'lay tsiky fanaonao fahiny
no dia malo-tava sy motitra retsy a?
Sa kosa voamabon'ny zana-bahiny
dia tsy te hahalala hoe koa niainga tetsy?

Verin'ny lala-nosafidiana,
sa lasan'ny ngetroka 'zay mpanam-bola?
No dia nanadino an'ireo hafaliana,
niaraha-nizara, niaraha-nidola,
tan-kianjan-dRafahazazana fahiny,
fony isika 'lay zaza tsy mba nanan-tsiny!

Aiza 'lay tsiky nizara fitiavana,
no dia nofoanana tsy hitsiry intsony?
Dia nanjavona koa ve, Rafihavanana,
satria ny vola no nitaky ny zony?

Embona sisa no tazana teny,
nampitamberina ny lasa niarahana.
An'avona aza, rehefa mijery,
satria ve ianao, tohofom-piadanana?
Sinaingy tsy mahatsapa ny soa nifanaovana,
fony teny an-kianja mbola nilalaovana!

Aiza 'lay tsiky sa kosa efa very?
Resin'ny fiainana sy ny halavitana!
Iny tsiky iny, izao manirery,
manembona anao, mitinazana kintana!
Ilay fifamatorana tsy afa-niala,
fony ianao tiana, ary izy malala!
RRAG
29 Oktôbra 2021
--------
Rohy:
495 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0866