You are here: home > Vetso

AKOHOVAVY MANENO… - RRAG

Azo vakiana?

AKOHOVAVY MANENO…
Manana fo toa anao ihany!
Mitepo, marary, mahatsapa mijaly.
Maniry fitiavana tsy misy takalo.
Saingy ny hafa, mihevitra azy ho fahavalo!

Satriny hiandry ny dingam-boalohan’ilay olon-tiany,
izay vao hiaiky ny tora-pitiavana.
Saingy tsy hiriny, ny tsy fahasahiany,
ka mila azy hanokatra ny sori-dalana.

Akohovavy maneno angamba hoy ianao.
Manadala lehilahy, tsy menatra akory!
Nefa moa ve koa, mba fantatrao,
fa itsy farany, mbola resi-tory?

Ka tsy rariny ve, ny hanehoany ny am-pony?
Mety hoe, tsy anjara zony,
tsy anjaran’ny vavy ny maneho fitiavana.
Saingy izay tsy midika, midika fandàvana!
Tsy fanekena ny laha-mipetraka,
kanefa ny fony, efa toa ketraka.
Reraka miandry ny dingam-boalohany,
dia tsy rariny ve izy, handray ‘zany ho zony?
RRAG
12 Martsa 2013

Hametraka hevitra

Midira aloha