ALEO HO ANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEO HO ANY…
Mangina dia aza mitomany,
fafao ny ranomaso,
ka aleo izy ho any,
hanaraka ny ankaso,
famafin’ity tany!
Mangina, k’ampitonio ny fo,
fa tsy anjaranareo roa,
ny hiaraka hamaky,
‘zay sedra ho mandramaty.

Aleo izy ho any,
raha toa nanadino,
ilay akany mamy.
Aleo izy ho any,
raha toa ka tsy mino,
ny todin’ity tany.
Fa hotsapany eo,
izany fahanginana,
ary ho hitany eo,
ny fo rehefa sahirana.

Ka jereo,
tsy maintsy hiverina iny!
Jereo,
fa havesatra ny tsiny!
Hampitondrain’ilay fandaozana,
hozogainy mandramaty.
Ka tsy hananam-pihavaozana,
fa fery enti-maty!
RRAG
09 Aogositra 2012
--------
Rohy:
386 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208