ALEO MOA AHO HITENY E! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEO MOA AHO HITENY E!
Tsy tafasokatra ny vavako, ny lelanao no lava,
mangina re rahavako, fa toa efa ho lava,
aleo aho hiteny, haneho izay am-poko,
hilaza ny fijery, hiteny izay mba zoko.
Hanohana ny hevitro, hanosaka ny toloko,
aleo aho hiteny, hamborak'izay an-dohako.

Tiako ianao tsy laviko, ekeko fantatrao,
fa nahoana ianao tiaviko, no manao toy izao?
Manakana ny vavako, manakan'azy hisokatra,
nefa anie rahavako, miahy mihombo koa ny holatra,
holatra amin'ny foko, notanako mangina,
ka mety hitroatra hitoloko, raha ilaozanao variana!

Aleo moa aho hiteny e! Na dia kely fotsiny,
fa miahy kely ny hery, tsy mahazaka ny fihontsony,
te hamboraka aho, nefa toa sakananao,
kivy aho, tena kivy ka mila ny ho lao!
Mila tsy hahatosika, ny hatezeram-poko,
nefa ianao tsy rotitra, hamerina ny zoko!

Malala a! Raha ianao irery, no hanapaka ny fiainako,
dia inona no antony, hivelomako eto?
Kanefa anie malala e! Tsy iainanao ny iainako,
ka latsainao aho, raha sendra mba misento.
Eo moa aho hiteny e! Na dia hilaza fotsiny,
ny rivotra iainako eto, tsy tantiko ny fofony!

Koa raha tena tia ianao, omeo aho na dia kely,
rivotra vaovao, sy fijery hafakely,
ahafahako mitsara, ny alalin'ny fonao,
ahafahako mizara, ny kanto anatiko ao!
Ka aleo moa aho hiteny, hilaza fa tiako ianao,
satria hatramin'ny fijery, malala! Tena efa babonao!
RRAG
24 Aogositra 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
645 1
Mpakafy: Eliasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212