ALEO NY FASANA NO AKANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALEO NY FASANA NO AKANY…
Ry Mevakeliko tsy foiko,
tsy vitako ny handao.
Toa manery ny am-poko,
ny hiady ho anao.

“Aza mitomany,
ry Mahefan’ny fitiavako.
Aleo izany ho any,
mangina! Mangina re rahavako.”

Tsy zakako! Tsy zakako!
Ry Mevakelim-pandeferana!
Tsy tantiko! Eny toa tsy tantiko,
raha toa ny antsika ka hoferana.
Ka hoterena ianao handao,
ilay akanim-pitiavako.
Dia ho asiana raorao,
handotoana indray ny tavako,
eo imasonao!

“Mahefa ah! Aza manahy akory,
fa ny am-poko tsy mba levona.
Tsy mety resi-tory,
fa vao mainka aza mievina,
mahatsiaro anao,
‘lay tokan-tsy nandao.”

Aleoko fasana no akany,
raha toa samy ho fijaliana.
Any lavitra tomany,
na dia akanim-pahoriana.

“Aleo ny fasana no akany,
raha toa hampiray antsika,
ry Mahefa! Aza mitomany,
fa ho iray isika!”
RRAG
10 Mey 2012
--------
Rohy:
327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1042