AMBIVITRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMBIVITRA…
Noho ianao nandao, namela azy hiady irery,
dia solafaka izy anio, tsy nisy fo nijery,
tsy nisy hazavana, nitari-dalana hiampita.
Ambivitra izy izao, tsy hanantena ny ho tafita!

Eo ambivitra izy, amoron-tevam-paharendrehana.
Ambivitra ny ainy, ‘zay mety tata-pandevenana,
solom-pasan’ny fitiavany, handevenana ny ainy.
Ambivitra izy, efa donto koa ny sainy!

Ka raha azonao atao, ny miverina mimpody,
dia modia dieny izao, sao ho aminao ny tody,
fanenena mandramaty, ho fatoran’ny ainao.
Izay vesa-tsy ho tanty, tsy maintsy handrendrika anao!

Dia ianao no eny ambivitra, hisolo toerana azy indray.
Fa ny azy efa vita, efa resy, ny setrasetrany hatrizay.
Efa milamina ny fiainany, tsy hisy fijaliana intsony.
Izato anao kosa, rahoviana ny fo, rahoviana no hitony?
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
262 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223