AMPINGANAY IANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPINGANAY IANAO…
Moa, firifiry tamin’ireny, sahy nitsara anao ireny,
no nahefa ny adidiny, tamin’ny zanaka amam-badiny?
Iza? Fa moa, iza tamin’ireo, tsy nitsahatra niteny,
no sahy nisedra tsy nandao, izato tolona sy adiny?

Saingy ianao izao no eo, dia enjehina, finganina!
Esoesoina aman-teny, sady ataony hoe tsy vanona!
Nefa firy tamin’ireo, no nihafy tsy nahinankinan-kanina,
hahatonga ireto sombin’ny ainy, ho tena soa mba olom-banona?

Dada a! Tsy nahakivy anao izany, fa vao mainka nampitroatra,
ny hambom-po hanananao, mba hiezaka hanao mihoatra.
Dia indreo fa mbola aorianao, ireo tsy sasatra manenjika,
mikaroka hevitra vaovao, ahafahany manendrikendrika!

Fa sarety ireny Dada a! Tsy hahadingana omby akory!
Sady mbola zaza saina, ka ‘mbetika dia resi-tory!
Ampinganay ianao k’izany, no hivavahanay ho anao!
Aza miahotra amin’ny sedra e! Fa hotahian’ny Tompo ianao!
RRAG
01 Jona 2020
--------
Rohy:
352 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226