ANAKA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Arahabaina ‘kia zanako a! Mirary fety sambatra ho an-drỳ aho amin'izao fitsingerenan-taona nahaterahandry izao... Mitomboa fahendrena sy fahaizana ka ho tojo izay irina sy kinasa! Ho tahian’izy Tompo!

ANAKA...
Raha misy ifoforan’ny Ray sy ny Reny,
dia ianareo zanaka!
Ireny tabataba miary teniteny,
no endrik’anatranatra!

Arahabaina aloha fa nahadingan-taona indray,
tafita sedra maro!
Ny faniriana koa dia tafita rahatr’izay,
ireo tanjo-mifangaro!

Anaka! Tohizo ny eza-bita,
natao hatramin’izay!
Aoka ilavitra any, irony disadisa,
ninday afo mahamay!

Irariana soa hahazo izay kinendry,
eo amin’ny fiainanao!
Aza difiana akory, ny sori-boatendry,
fa mety ho lalanao!
RRAG
17 Febroary 2021
--------
Rohy:
270 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206