You are here: home > Vetso

ANDAO HANDRAMANA... - RRAG

Azo vakiana?

ANDAO HANDRAMANA...
Lakalaka ny fiainana, tomefy alahelo,
ny tsiky sy sento, mandalo avokoa!
Ny raho-matevina, tia mihelohelo,
dia ny lasam-pitiavana, nanindrona fo!

Eo ny mangidy, no te haka faka,
hamelan-tsara, hanaira-maso.
Eo koa ny mamy, no ilay voambaka,
raha sendra safidy, mangero-matsatso!

Ny hafaliana toa fanantenana,
mandalo miserana, tsy tana tazonina!
Ny fahoriana anefa tamana,
mifiki-miraitra na dia ozonina!

Andao handramana, ny mamboly fitia
raha toa hahazo fototra!
Ireo lasa ratsy fony vao niara-dia,
atao tsara tototra.

Hifamela heloka, na dia tsy hifamerina,
ny tia sy ny tiana!
Hevero hoe: "Indray mipimaso, dia mifamerina
eny ambony fandriana!"
RRAG
29 Oktôbra 2021