ANDAO HATAMBERINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDAO HATAMBERINA…
Neny malala andao hatamberina,
irony fahin’ny fahazazako.
Tamin’ireny aho mbola tsy nanenina,
tamin’izay hadalako!

Tsy nihoatran’ny fefy ny zava-bita,
na tsy niniana nofehezina aza.
Ankehitriny anefa ny adintsika,
ry Neny! Toa mahatata-bava.

Andao re haverina ry Neny izy iny,
fa hafa ihany lahy ny tamin’ny fahiny.
Teo ny hantahanta, tambitambin-dReny.
Ankehitriny toa kotaba ireny!
RRAG
21 Desambra 2013
--------
Rohy:
316 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0798