ANDRIAMANITRA Ô! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRIAMANITRA Ô!
Tsy te hibaiko aho, saingy toa voatery,
voaterin’ny vintako, hitroatra noho ‘ty ràtra.
Tsy misy haiko aho, f’indrisy mba mijery,
mijery ny tsy hitako, lazaina hoe voakasa.

Voalahatrao nialoha, ry Raiko ao ambony,
ny taintainako eto, toa tsy mampitony.
Fa satriko izao, dia ho fantatro ny hoavy,
satriko avy hatrany, tsy hisy ankiandriandry.

Andriamanitra ô! Ifonako aminao,
raha toa aho handidy, hibaiko ny herinao.
Fa mafy loatra re, ny fiainana zogaiko,
mavesatra ny fery, nomenao holanjaiko.

Andriamanitra ô! Tsy hoe sanatria, hisalovan’asanao,
fa satriko dia satriko, hiala amin’izao,
izao ferinaina, tsy misy fanafodiny,
Andriamanitra ô! Izay ve ‘lay hoe todiny?
Todin’ny natao, tsinin’ny efa vita,
ry Andriamanitra ô! Aleoko aho tsy hahita,
tsy hatazana izany, hirifirim-piainana,
‘zay lapan’ny tomany, hitoeram-pitarainana.

Ry lanitra ô! Melohy aho raha toa, manevateva anao,
Andriamanitra ô! Ifonako ny vita, sy ireo izay natao,
nanosy ny hasin-danja, fa eo re mba henoy,
ny ràtram-poko Ray ô! Eo koa mba tsaboy.
RRAG
20 Desambra 2004
--------
Rohy:
426 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199