ANIO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANIO…
Anio dia migadona indray ny ora iray,
ora mpandalo, toy irony omaly,
mitovy sokajy, sady toa mifandray,
ora iray kanton’ny fo falifaly.

Rahampitso izy hiezaka hiverina eto,
hitsidika indray ny akaniko kely,
hanotra mora ny foko hivetso,
hitondra ny mamy, hitondra tantely.

Ny hoavy izy hinoako fa mbola himpody,
toy ny anio sy ny omaly ihany,
fa ny antsoko rehetra toa tsapako ho tody,
reny hatrany amin’ny faravazan-tany.

Anio dia migadona nanao toy ny omaly,
ilay ora-pitiavako, niandrasako foana,
saingy misy miteny hoe: “Ny fo falifaly,
tsy maintsy hitomany, hangina hisaona”.

Nefa tsy ataoko, famatotry ny tongotro,
ny sakana entin’ny laha-piainana,
fa atohoko amin’ilay tiako ny molotro,
hiarahany mamaky amiko ny lalam-piainana.
RRAG
21 Septambra 2004
--------
Rohy:
359 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242