ANIO AHO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANIO AHO…
Nandinika aho ny alina, ny hamakiako teny.
Hatramin’ny sasak’alina, mbola teny ho eny.
Teny am-parafara, nandinika ny ambara.

Nihevitra aho omaly, ‘zay toky hoentim-bavako.
Nisy tamin’izany, nadikako! Nosoratako!
Fa omeko anao, alohan’ny aho handao.

Anio aho mantsy, tsy maintsy hanainga ilavitra.
Ka na dia tsy ho tanty, ny hifanalavitra.
Dia tsy maintsy atao, raha hahasoa anao!

Ekeko hoe marary, mila fanafody, ny atin’ny fonao.
Ekeko fa hijaly, toy ny hianjeran-tody, raha ilaozako ianao.
Nefa koa hinoako, fa hahasoa anao, izany ry tsy foiko!

Anio aho hametraka, hafatra aminao, ho dina velirano.
Ny fitiavako hipetraka, hitoetra eto aminao, hiambina ny trano.
Izay akanintsika, sy ny fitiavantsika!

Anio aho hanoritra, lalana vaovao, fa saingy tsy hisy anao.
Fa any kosa andro, ny lasa tsy ho voatototra, mbola ho eo ianao.
Dia hifandray indray, ny tanantsikaroa!
Sady ho mandrakizay, no hiara-dia ny fo!
RRAG
12 Martsa 2013
--------
Rohy:
325 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223