ANIO AHO HAMETRAKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANIO AHO HAMETRAKA…
Anio aho hametraka teboka tokana,
hamarana pejy niantombohan-tantara.
Anio no sokafako ny pejy manokana,
handraketako ireo ainga sy amboara.

Mangina ry lasa fafao ny tomany,
ny hoavy jerena dia sahia mijoro!
Ny anio re hatrehana fa aleo iny ho any,
fa ‘zay sedran’ny lasana efa hikoro o!

Anio aho hametraka diam-panondro,
ahafahako miaiky fa ahy ianao.
Tsy ataoko sonia fa dia ho lavotondro,
no hifamatoran’ny voady vaovao!

Esey ry lasa e! Manina ianao o?
Toa mitaditady ahy ‘zay efa tsy any e!
Izaho efa nandao ny lasin’ny talaho,
ilay farany nangidy raha eto an-tany!
RRAG
25 Nôvambra 2019
--------
Rohy:
342 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0307