ANIO SISA. (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANIO SISA.
Anio sisa dia ho afaka, ny hirifirin-taona maro!
Anio sisa dia ho afaka, ny fonao ny mba nikalo!
Ka hamonjy taona vao, hitady izay tara-masoandro.
Ny alina no andrasana, dia hivalon’ireo andro!

Anio sisa, no hanitsahanao ‘ty taona.
Ity taonam-pahoriana, tsy mba nijery anao akory.
Anio dia mety hangina, mety hangina ireo saona!
Nefa enga anie ‘ty taona vao, tsy hahatonga fonao ory!

Anio ireny dia hivalona, toy ny lasanao nisetra.
Izay natao an-dava-dalina, mba tsy ho hitan’ny rehetra!
Anio ireny zary nofy, tsy hampihetsi-bolomaso.
Anio angamba no hifarana, sy hisy fetrany ny ankaso!
Hitsambikinana ny taona, hisidinana ny lanitra.
Hovangiana ireo misaona, namoy fo iray tsy lavitra!
Hotsaboina ny tia, manana holatra amin’ny tena.
Fa ity taona ity, no taonan’ny adim-pandresena!

Dia haravona ny lasa, tsy hampanginina ny moana.
Hofaritana ny kasa, tsy hiandrasana fotoana.
Fa anio avela hijery, ireo jamba tsy nahita!
Aleo ireny mba hiteny, ka hitsara izay vita.
Ary ny marenin-tsofina, avelao hihaino tafa.
Handinihan’ireo toky, efa vita tamin’ny lasa!
Anio ny tombana no atao, hamalonana ‘ty volana.
Anio ny sivana hovitaina, handravonana ny olana!
Izay navelan’ity taona, sy ny taona nialoha.
Anio angamba sisa ireny, no hitoetra ao am-po!

Ka ny hany azo atao, mirary raha mirary,
taona iray vaovao, tsy hisy fo harary!
Tsy hisy fo hisaona, hitomany noho ny lasa!
Tsy hisy fo intsony, hizoga fery efa nahazatra!
RRAG
27 Desambra 2012
--------
Rohy:
283 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213