ANJARANAO NY SISA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANJARANAO NY SISA...
Mitady ny tsy hita sa manary ny efa an-tanana?
Hifahavalo hatrany sa hiezaka ho mpinamana?
Hifamela heloka dia hifanolo-dina,
ka 'lay nankalaina no zary olon-tiana.

Fa tsy haniry kosa ny handatsaka tomany,
fa hifampizara ny soa sy ny mamy.
Dia hiezaka hanakatra ny toha-piadanana,
anivon'ny akany tomefin'ny fitiavana.

Etsy ianao lazaiko ny tsy takatrao takarina,
tsy izay hitanao no hoe lazaina ho marina.
Fa misy marina any miafina tsy hita,
izaho efa nikaroka fa anjaranao ny sisa.

Eny! Anjaranao ny sisa...
Fa any misy mamy, tsy mba mety ritra!
Anjaranao ny sisa, mandravom-pihavanana,
fa efa miandry anao 'lay akanim-pahasambarana.
RRAG
06 Septambra 2020
--------
Rohy:
378 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169