ANKOSOTRA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANKOSOTRA…!
Nitia ianao dia hoe, tsy maintsy hotiavina?
Ka ‘zay teninao dia, tsy ilaivana fandavana.
Nitia ianao tokoa, ka dia niara-droa,
saingy kely moa, moa ve ka voka-po?

Ankosotra ny jery, ny hita tsy mba marina,
ny fo mitepo ihany, no tsy afaka amboarina,
saingy mety koa mamitaka, ny fahatsapana azy,
ka ny tena izy dia, mety ho sarim-bazivazy!

Nitia ianao satria, tody olon-tiana,
nifampizara toky, naraham-binavina,
dia nanantena hatrany, fa tsy ho rava intsony,
nefa tsy fantatrao, ‘zay tena ao am-pony.

Ankosotra ny fihetsika, ka mora mahababo,
ny maso mijinery, no mety koa mandavo,
fitaka avokoa matetika, ny tinazana ivelany,
fa raha te hatoky, dia zahao aloha ny felany.

Nitia ianao nahoana, no tsy nahita fỳ?
Ka ny efa an-tananao, no zary toa hitsihany,
tiany ho alaina, ho isan’ireo amboara,
efa eny am-pelatanany, ka mitandrema tsara!

Ankosotra daholo, ny tombantombanao,
ny fitia mantsy anie ka, tsy misy mankalao,
fa tiana avokoa, izay soa sy sedra izorana,
na io tara-masoandro, na erika io na orana.
RRAG
11 Jona 2018
--------
Rohy:
617 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0379