ANTSA Ô! LASA KOA I NENIBE… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSA Ô! LASA KOA I NENIBE…
Resy indray isika, tinapaka ny tohatra,
tsy ilavitra akory, dia lavon’ny adim-piainana!
Lavo indray isika, tsy tafani-bohitra,
tsy resi-tory akory, fa resim-pitarainana!

Ry Antsa ô! Lasa koa i Nenibe,
‘lay foto-nipoirana, foto-pisiana.
Lasa koa izy, lasana nandeha,
ka hazo efa boboka, ny sisa hifikirana.

Atao ahoana moa, ny tsy hitomany?
Atao ahoana moa, ny tsy mba hisento?
Raha lavon’ny ankaso, na tototry ny tany,
‘lay Renibe fitaratra, ‘zay lasana tsy ho eto!

Resy indray isika, ka dia miady irery,
tsisy mba manampy, tsisy mba mijery!
Resy indray isika, fa tapaka hazo iankinana.
Tapa-dalana aleha, an-teteza-miorirana!

Ny masoandro mitomany, toa misaona ihany koa!
Ny volana aza toa mangina, fa tsy toy irony alina.
Migogogogo mitomany, satria maràtra ny ao am-po!
Ny fo maràtra eo ihany, raha afaka misento lalina!

Faravavin’ny aina,
‘lay mpampiray fo mitia.
Mpamafa ny taraina,
tsy voafafa sanatria!

Faravavy manaja,
miaiky ny maha zandry.
Tsy mba basivava,
na tia manenjan-tsandry.
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
377 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1675