ANTSA TSISY FETRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
04 Nôvambra 1994 – 04 Nôvambra 2020. Mitsingerina anio ilay ngidim-piainana nilomano tanivon-dranomason’ny ankaso foiny aho vao 4 taona monja. Lavon’ny setrasetran-dahatra teny an-dalam-pihazakazahana ilay aina, sakaiza tena namana sady koa zandry iray rà amin’ny tena (RAKOTONDRAVAO Tsiorinirina Antsalalaina “Olivah”). Efa maro ireo ainga narafitro manokana ho anao, saingy tsy mbola ampy hanehoako fitiavana ireny ry zandry malala. Ianao tokoa mantsy no isan’ireo faka nampitsiry fitiavana ny aty fanahiko hitia sy hianoka ny literatiora ka niezaka ny nandranto izany hatrany! Inona no teny ahafahako mankasitraka anao…? Tsisy! Toa tsy mahaloa-peo akory ary aho…

ANTSA TSISY FETRA…
Misy vetso tsy voafafan,
ny taona maro efa voadingana.
Nisy alahelo tsy voasasan’
ny herin-tsaina tsy hanombinana!
Misy sentosento lalina
tsy tinakatra hisainana!
Misy fery efa mangarona
ka zary lavaky ny fiainana!

Misy tiana lavom-pasana
tsy hita hevitra hanakanana!
Misy tsiky ela niandrasana
saingy mbola tsy ho namana!
Fa dia ny ranomaso hatrany
no sakaiza hifampitantana!
Ka ny fo resin-tomany
no tinerena hiala sasatra!

Misy tsiaro tsy voarasan’
ny lalam-piaina-nosedraina!
Misy tanjona kinasa
mbola afovoan’ny taraina!
Misaringotra amin’ny lasa,
ka dia sarotra vonoina!
Misy fo tena maràtra
saingy tsisy fitsaboina!

Misy “Antsa” tsisy fetra
tian-ko ren’ny fo voadona!
Ilay tsy resin’ny herisetra
satria manana finoana!
Manana fanantenana
ho tafita an-tsedra maro!
Io ‘lay “Antsam-pandresena
iaraham-po mitamba-kalo!

Ao ny tsiaro no mitoetra
Ka hitsiry eny foana!
Ao ‘lay “Antsa” tsisy fetra,
no hiezaka hampihaon’
irony mpisakaiza ela!
Ao koa ireo fitia
mbola mirobona tavela!
Ka tsy ho faty sanatria!
RRAG
04 Nôvambra 2020
--------
Rohy:
304 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217