ANTSON’NY KAMBOTY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSON’NY KAMBOTY…
Eo an-joron-trano, mitomany mahatsiaro,
‘lay teo anilanao, Reniny tsy foiny.
Tsaroany irony, fitia mifangaro,
tamby sy orokoroka, niraikitra tam-pony.

Eny ny azy ny antsony, no ampitaina hita any,
ho ren’ny tontolo, ho ren’ny vazan-tany,
fa izy aty mahatsiaro, ka velon-tsento sy tomany.

Eny no hanaovany ny hikany, mba hiampitan’ny sentony!
Eny koa izy no hampitony, hitsabo ny fisefony,
vokatry ny ora, minitra sy segaondra, nandaozanao azy.
Izay fandaozan’ela indrindra, tsy mba sangy, foiny ianao nivazy.

Eny no hanipiazany, hita rano maro, hanerana tontolo,
ny porofon’ny fitiavany, ‘lay tsy nisy nahasolo.
Tsy nisy afaka nitanty, ka ho afaka ny hikolo!

Eo an-joron-trano, mivetso sy misento,
manina anao, mahatsiaro anao ‘lay teto,
nitondra tambitamby, sy ireny hantahanta ireny!
Hafa ihany izany hoe: “Anilanao ‘lay Reny”.

Anilan’ilay toky, sy vatolampy fiankinana,
zary tahirim-boky, irony lalanao nidinana.
Ny antson’ny kamboty, an-dalam-pisidinana!
RRAG
30 Mey 2013
--------
Rohy:
511 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1995