You are here: home > Vetso

ANY ANKOATRA ANY KAY! - RRAG

Azo vakiana?

ANY ANKOATRA ANY KAY!
Aza avela hohadinoiny, irony lasa sy ny etsetrany,
izay nametraka tantara, nisy rango-tsetrasetrany.
Aza heverinao ho foana, ny fahatsiarovam-pifaliana,
mbola notanan'ny fotoana, irony embom-pijaliana!

Aza dinganinao akory, irony ranomaso latsaka,
nametrak'alahelo am-po, foiny isika ilay nisaraka.
Fohazo kely irony tsiaro, nisy mamy sy mangidy,
mba tsy hiheverana hoe, misy any tsy tadidy.

Aza raisinao ho hambo, irony zirizirim-po,
ilay tsy mety diso ireny, rehefa miady isika roa.
Tsaroako foana irony tsongo, nampatezitezitra ahy,
dia niato ianao, natahotra tsy sahy.....

Mamangia raha toa mahatsiaro, fa ny akany hitanao...
Ilay notondroiko foiny isika, nisangisangy nilalao.
Misy mari-pamantarana, hazofijalia-mijoro,
ao aho no mandry izao, ka ny hatsiaka no mikolo.

Mitahiry izato nofo, hody vovoka tsy ho ela.
Mitsiaro irony lasa, sy ny sedra nampianjera.
Manopitopy eritreritra, ny andro hihaonantsika indray!
Indrisy anefa fa tsy ho eto, fa any ankoatra any kay!
RRAG
28 Jolay 2020

Hametraka hevitra

Midira aloha