ANY IALAHY DIA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY IALAHY DIA…
Any ialahy dia mba tsarovy, ataovy an-tsain’ialahy hatrany.
Ny foko aty malahelo, fa tsy te handatsaka tomany.
Any ialahy dia mba ataovy, ataovy kalom-po mangina.
Fa any ilavitry ny vetso, misy ahy ‘lay olon-tiana.

Ny alina aho anaty nofy, hisafo tava hanorokoroka.
Ny antoandro aho solon-drano, hanamandina ny molotra.
Ny maraina vao mifoha, izaho iry tara-masoandro.
Ny tolakandro aiza moa, raha tsy hanazava izato andro?

Any ialahy dia aza hadinoina, fa ny foko tia foana.
Any ialahy dia araho finoana, fa tiako ialahy, na dia tsy mihaona.
Tsy ho foanan’ny fotoana, na ho foanan’ny elanelana.
Ny antsoko hanako eny, tsy mba hisy sahy hisembana!

Any ialahy dia izaho aty, samy manin’olon-tiana.
Any ialahy tsy hoe sanatria, hanafoana irony dina,
velirano sesehena, narahantsika toky ireny!
Ka hahatondra fo diso fanantena, satria hany teny ireny.

Any ialahy izaho aty, mino foana isan’andro.
Any ialahy izaho aty, mitara-maso iry masoandro.
Mijinery irony kintana, manatri-maso ny volana.
Satria ialahy no anjara vintana, tara-masoandro sendra orana!
RRAG
Janoary 2019
--------
Rohy:
331 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177