ANY IANAO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotra ho an'ireo efa kamboty rehetra na io Ray, na io Reny, na io kamboty velon-dRay na io velon-dReny!
Teo aloha dia tsy nisy lohateny ity tononkalo ity, ka indro ary izy hampitondraiko ny lohateny hoe:

ANY IANAO...!
Fo nahoana moa, no tsy mba haràtra,
raha misy akaiky azy, lavo na nandao?
Ninoninona ady mafy, na sedra hoe nahazatra,
fo akory izany, fo tsy hitalaho?

Indrindra indrindra moa, ka lavo ny faka,
iray amin'ny sompitr'aina, namelo-nanabe.
Na koa lasana nitsoaka, nanao fiavin-tsaka,
rehefa sendra ady, toy ny filma an-“télé”!

Mafy izany miady irery, mitomany tsy miato,
mahatsiaro ny fahiny, manirery an-tanàna,
manimanina ny angola, mahatsiaro safosafo.
Nefa ny fototra efa lasa, voalahatra sa tsy tamana?

Any anefa ianao, raha mba mahare ihany,
na koa hoe mahatsapa, fa amim-po milefon-dràtra,
'ty antsoantson-janakao, anaty sento sy tomany!
Dia aza avela ho antso an'efitra, fa efa tsy ho vatra.

Ka tsy hisy hihaino akory, ninoninona atao.
Ho kamboty Ray sy Reny, hitomany amorom-patana.
Nefa ianao ilay nandao, eny, any ianao!
Mety kivy tamin'ny lasana, mety koa lavom-pasana.
RRAG
09 Mey 2017
--------
Rohy:
319 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209