ARA-BAKITENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARA-BAKITENY…
Ny omby mahia lahy tsy holelafin’ny namany.
Mazàna io dia re avy eny am-bavany!
Dia nailikilika fa hoe sakaizan’ny lasa,
ny mamy niarahana aza toa efa voafafa.

Mangozohozo tokoa moa ny any,
dia lasa tsy namana avy hatrany!
Tsy manana arapaka sy izay ho atelina,
dia irariana koa tsy ho naman’ny velona!

Hontsa ve ‘zany dia hoe tsy sakaiza?
Mahantra izy iny dia narianao taiza?
Faraidiny mafy tsy manan-katolotra,
dia tsy namana koa fa nolavin’ny molotra!

Ara-bakiteny ny tositosika,
dia izy sahirana foana no fositra.
Ny akohonao no very dia izy no nosoketaina,
satria ve ny azy hoe tsy ampy: “Ny ferinaina”.

Ara-bakiteny ny fanilikilihana,
satria tokoa mantsy hoe efa sahirana!
Tsy mendrika intsony ny omena hasin-kaja,
dia ho rariny ve hoe aronjinao lava?
RRAG
13 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
369 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217