ARAHABAINA RY NENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARAHABAINA RY NENY…
Ry Neny malala, arahaba no atolotro ho anao anio.
Firariana ny ahy, ka ho halavirin-tadio,
amin’izato andro fety, fety malaza.
Etsy orohako kely, solon’arahaba!

Arahabaina ry Neny, nitomboam-bolofotsy,
ka mba hahatratra ny zafy, hitsongo azy ireny.
Dia eny an-tratranao izy ireo, no hitositosy,
hiverina haka, ilay fon-dReny.

Arahaba manokana, no atolotro anao.
Fisaorana koa, raha toa sitrakao.
Tsy ary aho mantsy, raha nitroatra ianao,
ka tsy rariny ve, ny hanajako anao?

Arahabaiko amin’ny foko, ilay feno fitia,
ny hanadino anao, dia ho sanatria,
satria ry Neny, ianao dia tokako.
Dia ho anao sy ny zanako, no hilofosako!
RRAG
30 Septambra 2014
--------
Rohy:
749 1
Mpakafy: hafatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0293