ARAHABA E! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Arahabaina Santa a! Arahabaina tratry ‘zao fahatsiarovana ny fitsingerenan-taona nahaterahana izao! Ny Tompo anie hanome fahasalamana sy tanjaka e!

ARAHABA E!
Arahaba e! No loakam-po mahatazana, ny tsiky an-tsori-tava,
arahaba no, santatry ny fihaonana, ka indro aloa-bava,
saingy tsy izay no tiana hotodiana, f’izato andro anio,
ka rariny dia rariny, raha hiarahaba anao, amim-po madio.

Tonga fahatsiarovana, ‘ty fitsingerenan-taona, nahariana anao,
toa satry dia satry, ny mba hihaona, hanoro-tava anao!
Nefa ny elanelana, toa sakana mibahana, ny lalana mankany,
arahaba e! Nofinofiso fotsiny hoe: “Izahay izao dia any!”

Moa va tsy fifaliana izao, no re miredona any, am-ponao manantena?
Hafa ihany angamba, r’ilay zana-javaboary, ny mieza-mifehy tena.
Ny entanentam-po e! Tandremo sao ho sakana, tsy hijerena ny hoavy,
mifalia kanjo e! Manaova fety sambatra, fa ny ahy iny toa mba vazy.

Vazivazy ihany, saingy koa mifono, anatra miafina,
ny fiainanao no hiriko ho to, ka tsy hisy saronan-javona,
hanarona hanamaloka, ny dingana ho kinendry, izay mbola lalindalina,
hafa ihany anie e! Hafa ihany izany hoe: “Izao ianao dia malina!”

Mba ho soa tokoa, ny andronao anio, sy hidiram-pitahiana,
dia mitsikia lava, toy iry taratra masoandro, migoka fifaliana,
ny Tompo hombanao, amin'izay rehetra, ho hezahina hajoro,
izy no hitantana e! Eny, hiambina anao, ary koa hikolo.

Arahaba e! No tsipy voninkazo, atolotro ho anao, ho anao anio,
tso-drano voka-po, no indro aloa-bava, handaviranao tadio,
ka ny hoavinao, hiorenam-pahendrena, sy honenam-pahasoavana,
ny fahasalamanao dia, ho amboaram-pandresena, hitsilo indray ny lalana.
RRAG
13 Aogositra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
1567 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214