ARIARY DIMY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARIARY DIMY…
Mangidy ny tsy manana, fa halavirin’olona.
Na misy aza an-tanana, toa tsy hahavaha olana.
Tsy mba hahazo akory, ny harapaka androany.
Ariary folo ve dia, hahavidy na voasary?

Mahantra ny tena, tsy noho ny hakamoana.
Nikiry mafy ihany, dia niasa teny foana.
Fa indray nipimaso, dia rava ny tan-tanana.
Lasan’ny mpanambola, noraofin’irony mpanana.

Ny tany najariana, lasa tsy mba nahazoana,
na dia iraimbilanja ,tsy hahavoky kibo noana.
Lasan’ireo mpitondra, lasan’ireo vahiny.
Tsy raharahainy akory, izany azon-tsiny.

Ariary dimy moa, hahavidy inona?
Izay no tahiry, tsy azo atao ninoninona?
Tsy hahahofa akory, tsena hivarotana!
Ary tsy hahavidy, fitafiana horakofana.

Ariary dimy aza, tsy hahaloa vidin-drano,
mainka moa ka hoe, handeha hanofàna trano.
Tsy hahazoana akory, rano hosotroina.
Hisy handray ve raha atao, raki-panompoana?
RRAG
07 Mey 2018
--------
Rohy:
311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201