ASA…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASA…!
Sarotra dia sarotra, ny ady entin’ny fiainana.
Nefa iza moa no, mba afaka hitarainana?
Tsy maintsy ianao no miady, ny ho haninao anio,
raha tsy izany dia, handrezatra tadio.

Ny asa anefa tsisy, ny an-tanana efa lany.
Atao ahoana koa, ‘ty zaza mitomany?
Fahanana inona izy, hitrosa tsy hahazo?
Aleo aloha mba hiezaka, hitsindroka mangahazo.

Fa ery antsaha ery, toa misy tany vao nasaina,
tsy misy azo atao, fa ity ‘zao avotr’aina.
Ny kibo noana mantsy, manosika fanahy,
ka ny iafarany angamba dia, ho eny Antsiafahy!

Mitady asa tsy mahita, hangataka mahamenatra,
hivarotra tsy misy, entana ho havelatra.
Ny mpanana ihany koa, manosika ondry botry.
Ny tena loza izao dia, marary koa rafotsy.

Toa mikohaka tsy miato, tsy sitran-dravin-kazo,
tena hita mihitsy hoe, malazo dia malazo.
Saingy tsy maintsy miarina, hanasa lamban’olona.
Ny volan’iny izao, tamin’ny herinandro dia voatolona.

Efa lany nandoavana, trosam-bary ‘zay tsy ninanana,
fa nalain’ny mpanambola, ‘zay tokoa rehefa tsy manana.
Solon’akohony tsy hita hono, fa lazainy nangalarina.
Ny madinika ohatra anay, toa tsy hanana ny marina.

Ny tena koa izao somokotra, mibatabata entan’olona.
Ny aina aloha dia kelikely, fa ny saina no vonona,
dia mikiry mafy ery, manangonangona ariary zato.
Nefa tsy ho an’ny tena izany, fa volan-trosa tato ato!

Trosan’olona tsy maintsy, honeranao na dia tsy misy.
Ny mpanana ihany koa moa, tsy te hahalala izany mihitsy.
Fa ny azy ireny no hainy, mitaky arahin-teny tena marary.
Asa lahy raha voaozona izahay, na ‘zao no laha-janahary?
RRAG
01 Aprily 2018
--------
Rohy:
484 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206