ASIO SIOKA KELY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASIO SIOKA KELY...!
Tinazako ianao, mijinery lanitra,
mitsikitsiky kely, kantokanto ery,
izato tavanao, mirana finaritra.
Njay, toa mahate ho tia!

Mambabo ny fijeriko, manaitra ny aty fo.
Nanova ny fiteniko, hoe 'ndao mba hiara-droa.
Fa tiako sahady ianao, ilay vao notazaniko.
Eo anilanao no, misy ny akaniko!

Asio sioka kely ary, ho solom-balin-teny.
Fa maika ery ny foko, hanopy ity fijery.
Eny an-tavanao, sariaka ohatr'izany.
Tiako ianao ka, tsy avelako hitomany!

Asio sioka kely, ho solon'ny antso avy,
hanaporofoiko, hoe ianao dia tia.
Tiako loatra mantsy, ianao manontolo,
ka meteza re, ho ataoko tsara kolo!
RRAG
18 Desambra 2012
--------
Rohy:
355 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0247